Ry Andriamanitra ô, Tokana Olona Telo, mitsaoka Anao aho. Ampio aho
hanadino tena tanteraka mba hiorenako ao Aminao, tony sy mandry fehizay
mova tsy toy ny efa miaina sahady any
amin'ny mandrakizay iny ny fanahiko
Ry tsy manam-piovana ô, aoka tsy hisy hanaloka ny
fiadanam-poko na koa hampiala ahy Aminao, fa
ny miniotra tsirairay avy anie, hitondra sy hampandroso ahy
lavidavitra kokoa hatrany ao amin'ny halalin'ny zava-miafinao. Omeo
fiadanana ny fanahiko. Ataovy zary lanitra
ho Anao, ho fonenana tianao sy maminao ary koa ho fialan-tsasatra ho
Anao. Enga anie tsy hamela Anao hanirery ao aho, fa hitoetra ao
tanteraka entanin'ny finoako ka hitsaoka Anao, ary hanolotra
ny tenako manontolo ho volavolain'ny asanao
mpahary.
Ry Kristy mamiko, voafantsika noho ny
fitiavana, te-ho olon-tian'ny Fonao aho. Tiako ho totofako voninahitra
Ianao. Te-hitia Anao aho ...tia hatramin'ny fahafatesana ! Tsapako anefa
ny fahosako koa mangataka Aminao aho mba "tafio
Anao aho" ka hifanaraka amin'ny fientanam-panahinao rehetra
ny ahy. Mba rakofy tanteraka Anao aho ka
alenteho ao Aminao, ho henika Anao ka Ianao no hisolo ahy ary
ny fiainako amin'izay dia
ho taratry ny fiainanao rano fotsiny.
Tongava ato amiko hitsaoka, hanarina sy
hanavotra.
Ry Teny tonga Nofo mandrakizay ô, Tenin'Andriamanitra, tiako ho laniana
hihainoana Anao ny fiainako, sitrako ho
handairam-pampianarana tokoa raha izaho mba hahalalako
ny tontolonao. Ary rahefa avy nanavatsava
ny alina rehetra, ny
banga rehetra sy ny
tsy fananan-kery rehetra aho, dia mamiko
ny hitoetra eo ambanin'ny fahazavanao lehibe.
Ry Masoandro mamiko ô, sintony aho hanatona Anao mba tsy hahafahako
manalavitra ny famirapiratanao intsony.
Ry Afo mandevona, ry Fanahy fitiavana, hambomba ahy anie
ny herinao ka ho zary fahatongavan'ny Teny
ho Nofo indray aho mba hahafahany manavao ato
amiko ny Zava-miafiny rehetra.
Ary Ianao ry Ray ô, topazo maso ity zava-boaarikelinao mahantra. Alofy
amin'ny alokao izy ary enga anie ilay “Zanakao malalanao ankasitrahanao
indrindra” no hany ho hitanao ao aminy.
Ry Olona Telo, ahy ianao, tontoloko, hasambarako, fitokana-monina tsy
misy fetra, halebiazana tsy hita faritra,
mahavery anjavona ahy ao Aminao. Mitolo-tena Aminao mova tsy
ny remby aho. Miafena re
ato amiko mba hilevenako ao Aminao
mandra-pibanjinako ao amin'ny fahazavanao ny
hantsan-dalin'ny fahambonianao.
21 Novambra 1904